INDRAY MIJERY

Misy toerana mirefy 2 ha ametrahana panneaux solaires, manome 1,5 Megawatts, eny amin’ny ESPA Vontovorona. Ny Jirama no misahana ny asa rehetra. « Panneaux 800 amin’ny 2 000W no efa voapetraka amin’izao fotoana izao », hoy ny filohan’ny fikam­banan’ny mpianatra. Ho an’ny rano indray, efa misy lavadrano telo ao. Eo am-pikarakarana ny teknisianina ary efa tonga teny an-toerana ny tomponandraikitry ny minisiteran’ny Rano. Hanomboka amin’ny 13 marsa ho avy izao ny fisantarana ny taom-pianarana 2025-2026.

Efa 22 taona no nikarakara ny hetsika “Fetin’ny renibe” ny fikambanana Madagascar Alzheimer Maso­andro Mody, ny sabotsy manakaiky ny alahady voalohany amin’ny volana marsa. Ankoatra ny maha “fety” azy, fotoana iray tian’ny fikambanana hahafahana mampita hatrany ny maha sarobidy an’ireo zokiolona, ray aman-dreny nahitana masoandro, izany. Sady fanehoana ihany koa fa ilaina ny fiaraha-monina hifandrai­san’ny sokajin-taona rehetra. Hanamarika ny fety ny sabotsy 7 marsa tontolo andro ny fikambanana.

Ambany ny herijika hisiana fiforonana andro ratsy hafa mandritra ity herinandro ity. Tombanana ho maina amin’ny ankapobeny ny morontsiraka afovoany-andrefana, atsimo andrefana ary atsimon’ny Nosy. Hi­toetra kosa, amin’ny ankapobeny, ny oram-pahavaratra amin’ny faritra sisa rehetra.

Partager sur: