Notanana vonjimaika any am-ponja, afakomaly, ny lehilahy iray nangalatra volan’ny mpampiasa azy, teny Ampasika. Nametrahan’ny mpampiasa azy fitokisana hatry ny ela io lehilahy io. Nampitondraina vola 1 tapitrisa Ar mahery vidin’entana izy saingy tsy nipoitra intsony. Niteraka ahiahy tamin’ireo mpampiasa io fihetsika io ary nanamarina tao amin’ny toeram-piasana izy ireo. Tsikaritra anefa ny fanjavonan’ny milina lehibe iray fanjairana niampy lamba maromaro. Tsy hita popoka koa ny vola 1 tapitrisa Ar hafa ankoatra ilay efa nentin’io lehilahy mpiasa io. Nametraka fitarainana teny anivon’ny polisim-pirenena avy hatrany ny mpampiasa lasibatra. Niroso tamin’ny fikarohana ny mpitandro filaminana avy eo anivon’ny PPA Ilanivato. Sarona teny Ampasika ilay lehilahy, ny 22 febroary teo. Tsy afa-nanda intsony ny heloka vitany ity mpiasa nangalatra ity. Nataon’ny polisy famotorana izy. Nilaza fa laniny tamin’ny filokana ny vola nampiandraiketina azy. Noterena hanondro ny toerana nasiany ny fitaovana nangalariny ity farany. Tafaverina tamin’ny tompony ny iray tamin’ny milina izay hany tsy lafony. Niakatra fampanoavana ny raharaha ary niafara amin’ny fihazonana vonjimaika any am-ponja.
Tsiferana R.




