Maika ny lafiny toekarena amin’izao fotoan’ny Fanavaozana izao. Tanjona ny hanatrarana hihoatra ny 10% ny harinkarena, hivoahana amin’ny fahantrana.
Nahitsy sady nazava ny fanehoan-kevitry ny Dr Hugues Rajaonson, mpahay toekarena sady mpampianatra eny amin’ny Anjerimanontolo, omaly. Fepetra roa no mamintina ny hanatrarana ny fitomboan-karena mihoatra ny 10%, izay azo tanterahina tsara. Ho an’ny politikan-ketra, mila atsahatra ny famaharana amin’ireo orinasa sy mpandraharaha efa mpandoa, mampitaraina ny sehatra tsy miankina. Atsahatra koa ny fametrahana tahan-ketra misarika ny fampiasam-bola vahiny. Mahakasika ny politikan’ny vola, hamoraina ny fampindramam-bola ny tsy miankina sy ny zanabola ambany ho an’ny fampiasam-bola.
Nohamafisin’ny Dr Hugues Rajaonson fa « ny sehatra tsy miankina no tena iankinan’ny fitomboan-karena, ka tsy hotsabahan’ny fanjakana mihitsy. Amin’izao vanim-potoana ny Fanavaozana izao, tokony hifantoka tanteraka amin’ny mpametraka lalàna manamora ny fandraharahan’ny tsy miankina ny fanjakana. Vaindohan-draharaha ny hametrahana politika ara-toekarena miompana amin’ny famokarana sy ny fampiasam-bola. Seha-pihariana anisan’ny laharam-pahamehana ny fambolena, ny agro-indostria, ny harena an-kibon’ny tany sy ny fanodinana azy eto an-toerana, ny angovo azo havaozina, ny fizahantany ary ny fananganana fotodrafitrasa ». Mifameno amin’ny fangatahan’ny fikambanana Agro-indostria eto Madagasikara (AIM) ireo notanisainy ireo.
Mila mianatra siansa politika ny tomponandraikitra
Ankoatra izay, nasongadin’ny Dr Hugues Rajaonson, fa mila mianatra ny Siansa politika ny mpanao politika, fa tsy ampy ny hoe teknisianina na niofana tamin’ny sampam-pianarana ambony fotsiny. Nomarihiny anefa fa tsy voatery manana mari-pahaizana ambony ny mpitondra firenena, fa ireo tomponandraikitra ambony manodidina azy sy tendreny no mila mahafehy izay siansa politika izay. Mila mahalala izany rehetra izany ny vahoaka malagasy, izay tompon-kevitra farany amin’izay fanapahan-kevitra raisina sy hampiharina eto amin’ny firenena.
Njaka
Andriantefiarinesy




