Fanadinana mpianatra ho mpitsara : Manahy fisiana endrika kolikoly ny KMMGB

Namoaka fanambarana ny Komity manokana miady amin’ ny gaboraraka (KMMGB), omaly, ny amin’ny fisiana kolikoly amin’ny valim-panadinana fidirana mpinatra ho mpitsara ao amin’ny Sekolim-pirenena mpianatra ho mpitsara sy mpirakidraharaha (ENMG) tamin’ ny 17 sy 18 ary 20 febroary lasa teo. Ahitana ireo ray aman-dre­nin’ny mpiadina sy ireo mpiadina manerana an’i Madagasi­kara ny komity. Izay fanahiana kolikoly izay no antom-pijoro­any. Araka izany, takin’izy ireo ny hanaovana fanadihadiana lalina momba ny valim-panadinana amin’ny sampana ho mpitsara amin’ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana, sampana ho mpitsara momba ny kaonty, sampana ho mpitsara tsotra. Takin’izy ireo koa ny fi­tsirihana sy fanehoana amin’ ny mpiadina tsirairay ireo taratasim-panadinana mirakitra ny isa azon’ izy ireo tsirairay avy. Mba hisian’ny fangaraharana tanteraka no antony. Ankoatra izay, takin’izy ireo ny hanafoanana ireo valim-panadinana vonjimaika nivoaka farany teo. Toy izany koa ny fampiatoana vonjimaika ny fanadinana am-bava kasaina haroso. Mandra-pahitana ny tena marina izany. Miantso ny filohan’ny Fana­vao­zana sy ny minisitry ny Fitsa­rana ny komity handray an­draikitra manoloana ny raharaha ity.
Anisan’ny fanambin’izao fitondrana Fanavaozana izao ny ady amin’ny kolikoly sy ny gaboraraka. Andrasana ny tohin’ny raharaha. Hanao ahoana? Ho hita eo…

R. Nd.

Partager sur: