FANTINA sy FINTINA

Tonga nanao veloma ny praiminisitra, Rajao­narivelo Herintsalama, teny Mahazoarivo, omaly, i Alice Nzomukunda, solontenan’ny Vondrona Afrika­nina teto Madagasikara nandritra ny roa taona. Nan­kasitraka ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana amin’ ny ady amin’ny kolikoly sy ny fanodinkodinam-bola ary amin’ny fanamafisana ny fitantanana mangarahara ity solontenan’ny Vondrona afrikanina ity, tamin’izany.

Afaka misitraka ny mariboninahi-pirenena avokoa ireo mpanao gazety mahafeno ny fepetra.
40 taona ka nahavita 15 taona niasana, farafahakeliny, araka ny nambaran’ny tale jeneralin’ny Serasera, Rakotomalala Faly Mahefanirina. Afaka manatona ny eny anivon’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolon­tsaina na ny fitaleavam-paritra ireo liana amin’izany.

Hanao fanambaram-pananana eny amin’ny Bianco avokoa ireo tomponandraikitra eo anivon’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina. Hatao izany mba hametrahana ny mangaraharaha eo amin’ny fitantanan-draharaha ho an’ireo tomponandraiki-panjakana, araka ny nambaran’ny tale jeneralin’ny Bianco, Razakamanantsoa Gaby Nestor, omaly.

Nampidirin’i Etazonia ao anatin’ny lisitr’ireo firenena tsy mampihatra ireo fepetra miady amin’ny asa fampihorohoroana i Madagasikara. Nambaran-dry zareo Amerikanina fa nofoanana ireo fanalefahana fepetra momba ny fiarovana eny amin’ny seranan-tsambo. Handalo fanaraha-maso hentitra, araka izany, ny sambo malagasy ho any Etazonia

Partager sur: