Mankalaza ny faha-35 taona nijoroany (1991-2026) ny Madagascar Natonal Park (MNP). Manamafy ny ezaka hitahiry ireo valanjavaboahary 49 tantaniny ny ekipa manontolo.
Omaly no nisantarana ny fankalazana ny faha-35 taona nijoroan’ny Madagascar Natonal Park (MNP). Nitokanana koa ny foiben-toerana etsy Ambatobe izay nanokanana fotodrafitrasa vaovao ahitana efitrano fiasana maromaro hanampy amin’ ny fitantanana ireo valanjavaboahajary tantaniny.
“49 amin’izao fotoana ny valanjavaboahary karakarain’ny MNP. Fanamby ny hitahiry ireo tsy ho simba sy hiaina maharitra ho lovainjafy”, hoy ny tale jeneralin’ny MNP, Rakotoarison Ony.
Nilaza ny minisitry ny Tontolo iainana, Rafanomezantsoa Michaël Manesimana, fa “anisan’ny paikady iray entina hiarovana maharitra ny tontolo iainana eto Madagasikara ny fisian’ny MNP. Miha matotra ny fitantanana ary efa mipetraka ny rafitra rehetra amin’izao 35 taona izao”. Efa misy ny foibe mpanara-maso isan’andro ireo tsindry mahazo ny valanjavaboahary.
Tsy mena-mitaha amin’ny zavaboahary any ivelany ny ananantsika. Mila tosika ny MNP, mifandray akaiky amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana izy ireo.
Miezaka manampy ny faritra arovany izay efa misy ny MNP satria mbola betsaka ny toerana misy zavaboary mila izany.
Motera nanome harinkarena ny valanjavaboahary satria mitsidika ireny ny mpizahatany sy ireo mpisehatra rehetra misitraka tombontsoa. Anisan’izany ireo orinasa mpikarakara dia, ireo mpisera dia, trano fandraisam-bahiny, toeram-pisakafoana, mpampanofa fiarakodia…
Mafy ny tsindry mahazo ny valanjavaboahary
Maro anefa ny tsindry mahazo azy ireny, toy ny fitrandrahana ny aty ala, ny halatra sokatra, ny fitrandrahana harena an-kibon-tany. “Ao anatin’izao fanavaozana izao, haverina ny fahefam-panjakana. Tsy misy ny fandeferana amin’ny fanararaotana amin’ny harem-pirenena”, hoy ny minisitry ny Tontolo iainana.
Ilaina ny paikady amin’ny fanampiana ny mponina manodidina ny ala mba tsy hanaovany fitrandrahana gaboraraka. Apetraka koa ny fivelomana tsy hahafongana ny atiala.
Tatiana A




