Nitsidika ny CTI (Centre de traitement et d’isolement) etsy Andohatapenaka, niaraka tamin’ireo teknisianina ao amin’ny Cousp (Centre des opérations d’urgence de santé publique), ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny faran’ny herinandro teo. Nitondra vahaolana haingana hahatomombana ny fandraisana ireo marary ny tenany. 12 ireo marary voamarina ary 4 ahina tsaboina eny an-toerana.
Mitohy ny tolona ho an’ny Union des internes de Madagascar (UIM). Tsy hita taratra amin’ny mpiasan’ny fahasalamana rehetra manerana an’i Madagasikara ireo notakina.Mbola manjaka ny tsy rariny, tsy mahavoavaha ireo fitakianay rehetra, hatreto, ny rafitra misy amin’izao fotoana. Noho izany, mbola tsy misy fanovana hita mivaingana hatramin’izao.
Tonga any Toamasina ny fanafody natolotry ny Farmasianina eto Madagasikara. Boaty miisa 5 252 nofonosina anaty baoritra 103 no nalefa any an-toerana. Nisy ny fiaraha-miasan’ny Holafitry ny farmasianina amin’ny kaominina Toamasina. Ireo fanafody ireo izay tolotra maimaimpoana avy amin’ny farmasianina tsy miankina ka omena maimaimpoana ihany koa ny marary isan-tsokajiny.




