Fandaharanasa « Toamasina Miarina » : « Mizotra miandalana ny asa », hoy ny MSP

Nidina ifotony nijery sy nanara-maso ny fanatanterahana ny fandaharanasa « Toa­masina Miarina », taorian’ny rivodoza, ny minisitry ny Fila­minam-bahoaka (MSP), Erick Michel. Mizotra miandalana ny asa efa natomboka, ho fanarenana ny takaitra navelan’ny rivodoza ao amin’ny faritra Atsinanana. Miompana bebe kokoa amin’ny fitsinjovana ny maha olona izany amin’izao fiandohany izao. Misy ny lesoka mila harenina amin’ny alalan’ny fanafainganana ny fomba fiasa, ny fandrindrana ny anjara asan’ireo mpiantsehatra.
Nihaona tamin’ny Tafika sy zandary ary polisy nalefa ha­mita iraka manokana ao Toa­masina koa izy. An-ja­to­­­ny­ ny­ mia­ramila sy zandary ary polisy nalefa manokana ao Toa­masina hanome tanana ny asa fanarenana (fanadiovana ny tanàna, fanampiana amin’ny fitaterana ny fanampiana). Asa tena niandraiketan’ izy ireo koa ny fiantohana ny fandriampahalemana, mifanampy amin’ny mpitandro filaminana ao an-toerana.
Nitafa tamin’ny minisitra avokoa ny rantsan’ny departemanta ao amin’ny faritra Atsinanana. Nitondra takaitra avokoa ny fotodrafitrasa dimy ho an’ny polisim-pirenena ao an-toerana. Maro ireo polisy rava trano fonenana ka nanolotra fanampiana vola, vary, menaka, savony…ny fitondram-panjakana ho an’ny Fivapova. “Tsy mora ny fanarenana, ny asa maha polisy anefa tsy maintsy atrehiny ka mitaky fijoroana hatrany ho andry iakinan’ny vahoaka”, hoy ny minisitra.

Vonjy

Partager sur: