Fanofanana momba ny rano: Natokana ho an’ny sam-pam-pampianarana dimy

Nampahafantarina, omaly, teny amin’ny Oniversiten’ Antananarivo, ny tolotra fanofanana hahazoana mari-pahaizana « Master en Gestion et traitement de l’eau » sy ny « Science eau et énergie ». Tetikasa nivoaka tamin’ny fandaharanasa « Erasmus plus » iantohan’ny Vondrona eoropeanina amin’ny alalan’ny Oniversite efatra dia ny Limoges, Roumanie, Belgique ary La Réunion izany. Nahazo tombontsoa ny sampam-pianarana dimy ahitana ny politeknika sy ny IST Antsiranana, Antananarivo, Ambositra ary ny Oniversiten’Antananarivo, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny Vaomiera pedagojikan’ny tetikasa sady mpampianatra ao amin’ny fakiolten’ny Siansa, Pr Ravelonandro Pierre.
Mpianatra voasivana 50 no hanaraka ny fampianarana amin’ny Licence sy ny Master ka hampiasa ny hybride: fampianarana ampitain-davitra fa any am-pianarana kosa no tanterahina ny fampiharana. Natokana ho an’ny mpianatra sy ireo olona efa am-perinasa ny tolotra. Ireo manana ny mari-pahaizana Licence siantifika (nivoaka tao amin’ny fakiolten’ny siansa na nanaraka fianarana teny amin’ny sekoly ambony d’ingeniorat) no afaka mangataka hiofana. Nanotrona ny hetsika fampahafantarana ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny minisitry ny Rano.

Vonjy

Partager sur: