Raha ny voalaza, tokony ho tamin’ny volana janoary teo no voatondro hahatongavan’i Gianni Infantino eto Madagasikara. Hatramin’ny omaly, anefa, tsy mbola nisy vaovao ofisialy ny amin’ny fihaviany na tsia. Anton-diany moa ny hanova ny satan’ny FMF sy hitokana ny Carion.
Araka ny fanadihadiana natao omaly, tamin’ny loharanom-baovao iray, efa vita 80 % ny ivontoeram-piofanana baolina kitra eny Carion ka ny fitokanana azy sisa andrasana. Hatreto anefa, tsy mbola misy resaka mihitsy ny fahatongavan’ny filohan’ny Federasionina iraisam-pirenen’ny baolina kitra (Fifa), i Gianni Infantino, hitokana izany fotodrafitrasa nasiam-panavaozana izany. Baraingo amin’ny Malagasy mpanaraka baolina kitra ny amin’ny fihaviany na tsia. Mipetraka eny am-bavan’ny mpitia ity taranja ity ny fanontaniana. “Ho avy eto Madagasikara tokoa ve ny Filohan’ny Fifa”? Ampahatsiahivina fa efa tamin’ny faran’ny volana janoary teo no voatondro hahatongavany saingy izao mbola sasa-miandry izao ny rehetra. Tsiahivina fa nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, tetsy Isoraka, ny 1 desambra 2025, no nilazan’ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF) fa ho avy eto Madagasikara ny filohan’ny Fifa ny faran’ny volana janoary.
Etsy ankilany, efa nanambara ny mpikambana iray eo anivon’ny Komity hamerina ny hasin’ny baolina kitra (K2HB)” fa tsy misy filohan’ny Fifa ho avy izany eto Madagasikara. Ankoatra ny fitokanana ny ivontoerana eny Carion, hanova ny sata mifehy ny FMF koa ny anton-dian’ i Gianni Infantino eto Madagasikara. Ny taona 2019 no tonga nitsidika farany an’i Madagasikara ny tenany.
F.R




