Mbola maro ireo tsy mahafantatra ny zo ara-pananahana ka lasa mivadika herisetra izany na eo amin’ny samy mpivady aza. Mbola sakana be koa ny karazana fomba…
Nandray anjara tamin’ny dinidinika teny Ivandry mahakasika ny fahasalamana ara-pananahana ny controleur Général de Police, avy ao amin’ny Brigade féminine de proximité (BFP), Randriambelo Mandimbin’Ny Aina.
Tafiditra ao anatin’ny zo ara-pahasalamana sy ara-pananahana ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy ny maha vavy na ny miralenta. Miseho matetika eny amin’ny fiarahamonina ny tranga fanitsakitsahana ny zo ara-pananahana. Anisan’ny antony ny tsy fahafantarana ny zo. Eo koa ny fomba amam-panao izay manitsakitsaka ny zo tanteraka mihitsy.
Raha misy ny fanalan-jaza ataona zaza tsy ampy taona iray dia satria tsy nahafantatra ny vatany izy na tsy nahafantatra ny vokatry ny fanaovana firaisana ara-nofo mihitsy. Mety koa tsy mahafantatra na tsy sahy mampiasa ny fiarovan-tena tokony hatao tsy hahatonga amin’ny vohoka tsy niriana.
“Mahaliana ny tanora ny resaka firaisana ara-nofo kanefa dia afenin’ny ray aman-dreny sy ny fiarahamonina mafy ny momba izany. Fandrarana no asesika an-dohan’ny tanora kanefa izany no vao mainka mahaliana azy sy tiany hanandramana izany”, hoy hatrany ny avy ao amin’ny BFP.
Tena mbola fady anefa ny miresaka fananahana ary tena sakana amin’ny fisitrahana zo amin’io lafiny io izany.
Azo sorohina ny loza
Raha nampahafantarina ny tanora fa rehefa miditra amin’ny firaisana ara-nofo izy dia mety ho bevohoka na mety hahazo aretina. Vokany, mety hitsahatra amin’ny fianarana izy ary tsy hanana diplaoma, tsy afaka hizaka tena sy hamelona ny tenany ka ny hoaviny mihitsy no potika. Raha fantany sy resy lahatra amin’ireo izy ary avela handray an-tanana ny momba ny vatany sy ny fiarovan-tenany dia mety ho voasoroka ny vohoka tsy niriana ary afaka nanohy fianarana ilay tanora.
Tatiana A




