Fahasalamana: Tsy fahavetavetana ny fanaovana PF

Misy amin’ny vehivavy no menatra raha fantatry ny olona fa mampiasa fomba fandrindrana fiainam-pianakaviana (PF) izy. Mafy ny fanenjehana sy fitsaratsaran’ny fiarahamonina noho ny tsy fahafantarana ny maha zava-dehibe ny fampia­sana azy ireny.
“Tsy midika ho favetavetana na fijangajangana na hamaolana velively ny fanaovana fanabeazana aizana fa tena fandraisana an-tanana ny momba ny fahasalaman’ny tena”, hoy ny dokotera mpiantsehatra amin’ity fanentanana ity.
Fahatongavan-tsaina ary mariky ny fahamatorana amina fanapahan-kevitra hikarakara ny tena sy ny ankohonana mihitsy ny fidirana an-tsehatra hanaovana fandrindram-piterahana. Fisorohana ny vohoka tsy iriana, fiarovana amin’ny tera-bitro fa indrindra fiahiana ny ankohonana tsy ho kitoatoa na ho tsizarizary. Fahafahana misafidy ny isan’ny zaza ateraka sy ny elanelan-taona tiana hiterahana mba hahalavorary tsara ny fitaizana sy ny fivelomana ka tsy ho vesatry ny ankoho­nana ny fitondrana vohoka lava ny fampiasana azy ireny.
Ho an’ny tanora, fiarovana amin’ny areti-mifindra ny fampiasana kapoty sady miaro amin’ny vohoka tsy iriana ihany koa.

Tatiana A

Partager sur: