Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny Oniversiten’Antananarivo ny taom-pianarana vaovao ho an’ny lalam-piofanana fitantanana sy fanodinana ny rano (Master), sy ny lalam-piofanana rano sy angovo (Licence).
Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Defi eau, vatsian’ny Vondrona eoropeanina vola ny tetikasa, miaraka amin’ny Erasmus.
Toeram-piofanana ambony sy Oniversite miisa 5 no handray ireo mpianatra. Anisan’ izany ny eny Ankatso, ao amin’ ny fakiolten’ny Siansa, ny oniversiten’Antsiranana, ny IST Antsiranana, ny IST Ambositra ary ny IST Antananarivo.
Mpianatra 25 hanao Licence sy 25 hanao Master no manaraka ny fampianarana amin’izao andrana sy fanombohana izao. Tanjona ny hananana teknisianina matihanina momba ny rano voaofana araka ny tena filan’ ny vahoaka sy ny firenena.
Vokatry ny fiaraha-miasa tamin’ireo oniversite mpiara-miombon’antoka, toy ny Université de Limoges, Université de Liège, Université Vasile Alecsandri din Bacău ary ny Oniversiten’i La Réunion no nahafahana nanokatra ny lalam-piofanana momba ny rano.
Dingana lehibe eo amin’ny sehatry ny fikarohana ny fisiana tetikasa hahazoan’ny vahoaka malagasy misitraka rano fisotro madio. Tanjon’ny fanjakana ny hampiroborobo ny fikarohana misy fiantraikany mivantana amin’ny fiainan’ny vahoaka malagasy.
Tatiana A




