FMF : Fantatra ny toerana hanaovana ny fivoriambe

Araka ny filazan’ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra, omaly, fantatra izao fa hotanterahina any Antsirabe, ny faran’ny volana marsa ho avy izao, ny fivoriambe ara-potoana (AG) an’ny Federasionina, raha tsy misy ny fiovana farany. Mandritra io fotoana io no hanaovan’ireo mpitantana ny rafitra federaly mitantana ny baolina kitra eto an-toerana ny tatitra ara-moraly sy ara-bola ary ny ara-teknika. Hisy solontena avy amin’ny Fifa ho avy hanatrika ity fivoriana ity.
Mety hahazo fankatoavana zato isan-jato avy amin’ireo ligy 22 misy eto Madagasikara ve ny fitantanana izay nota­rihan’ny filohan’ny FMF, Randriamanampisoa Alfred? Tsara ny mampahatsiahy fa tamin’ny taona lasa, nahazo vokatra tsara ny ekipa nasionaly malagasy Barea. Poro­fon’izany ny nahazoan’ny Barea A’ ny medaly volafotsy, nandritra ny “Chan 2025”. Laharana faharoa tao amin’ny vondrona I, nandritra ny fifanintsanana “Mondial 2026”. Tsy tonga ho azy ireo vokatra ireo fa noho ny ezaka nataon’ny filohan’ny FMF sy ny mpanazatra nasionaly. Mbola manana vina ambony, izay mikendry ny hahatafita ny ekipa nasionaly malagasy any amin’ny Can 2027, ny federasionina ankehitriny.

F.R

Partager sur: