Nanatanteraka fitsirihana tampoka ny minisiteran’ny Fampianarana ambony, tamin’ity herinandro ity. Nisy ny onivesite roa nanatanterahana izany. Nisongadina ny endrika tsy fanarahan-dalàna maro.
Nanatanteraka fitsidihana tampoka teny ifotony hitiliana ny zava-misy eny amin’ny sekoly ambony eto Madagasikara ny tomponandraikitry ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Antony ny ahafahana mijery mivantana ny zava-misy tsy nanaovana fanamboamboarana mialoha ataon’ny tomponandraikitry ny ivontoeram-pampianarana ambony. “Rehefa vita ny fitsidihana ifotony ny toeram-pampianarana roa tamin’ity heriandro ity, nisongadina fa tsy ara-dalàna ny fijoroan’ilay toeram-pampianarana ambony ary betsaka ny lafin-javatra tsy manaraka ny lalàna sy ny fenitra takina eto Madagasikara sy amin’ny sehatra iraisam-pirenena”, hoy ny directeur d’Accréditation et assurance qualité, Dr Rakotoniaina Bearisoa.
Sehatra nohadihadiana nandritra ny fidinana ny kalitaon’ny fampianarana, mpampianatra sy ny votoatin’ny fahalalana zaraina ho an’ny mpianatra, fotodrafitrasa handraisana, tahirim-boky, niomerika, ny bokin’ ny mpianatra manao fanohanan-kevitra.
Taorian’ny fanadihadiana, tapaka fa tsy maintsy tanterahina ao anatin’ny telo volana ny fanamorana ny tantsoroka ho an’ny sekoly ambony rehetra eto Madagasikara, indrindra amin’ny sekoly tsy miankina. Aorian’izay, hisy fanadihadiana ny antontan-taratasin’ny sekoly rehetra ary hafainganin’ny minisitera ny fikirakirana izany. Tambiny kosa ny tsy fandeferana intsony amin’ny tsy fanarahan-dalàna samihafa ka tokony hanatona ny minisitera ny sekoly ambony momba ny lamina vaovao ho fanarahana fenitra.
Vonjy




