Manaraka akaiky ny fikarakarana sy ny fanomanana ny fifidianana ny eo anivon’ny Sampana anaraha-maso ny fifidianana, ivon’ny demokrasia ifarimbonana (Safidy). Nitondra tolo-kevitra izy ireo tamin’izany.
“Tolo-kevitry ny firaisamonina sivily hatrany ny hoe tokony hatao mafimafy kokoa ny fahaleovantenan’ny Ceni, indrindra eo amin’ny tetibola sy vola”, hoy ny tonia mpanatanteraky ny fikambanana Andriamoraniaina Niaina Harijaona, manoloana ny fiatrehana ny fanatanterahana ny fifidianana amin’izao.
Miandry ny fanapahan-kevitry ny mpitondra ilay rafitra mahaleotena. Izay koa no mampandringa indraindray ny fikarakarana ny fifidianana. Satria mety tsy ampy ny enti-manana na latsa-danja ny fitondrana ny fampiofanana, ohatra. Hita tamin’ny fanaraha-maso fifidianana teo aloha: tsy ampy, ohatra, ny fanofanana an’ireo mpikirakira fifidianana eny anivon’ny birao fandatsaham-bato. Manome hirika izay mety ho fikorontanana sy fanodinkodinana eny anivon’ny biraom-pifidianana, rehefa tonga ny fotoana fandatsaham-bato.
Misy ny fifidianana
Tsy manontany ny hoe tokony hisy sa tsia ny fifidianana ry zareo. Milaza mazava tsara ny lalàna fa tokony hisy ny fifidianana. Raha te hiaina ao anatina tany demokratika milamina ary mandeha amin’ny fifandimbiasam-pahefana amin’ny fitondrana fanjakana sy amin’ny fampandrosoana maharitra isika, adidin’ny governemanta mitarika ny fanatanterahana mametraka an’izay fomba fiasa izay miaraka na tarihin’ny rafitra mahaleo tena mikarakara fifidianana.
Miezaka hiara-miasa amin’ny Ceni izahay, manentana amin’ny alalan’ny rantsa-mangaika eny ifoton’ny firaisamonina sivily. Mba mampihena kely ny hevitry ny olona hoe tsy hifidy, fa mamporisika azy tokony hisoratra amin’ny lisitry ny mpifidy aloha. Amin’ izay, afa-mifidy izay olona tian’ny tena hitondra ny firenena. Tsy tokony ho kivy amin’izany, rehefa tsy mahomby, ohatra, ny teo aloha, na ny ankehitriny. Satria mety misy olona hahomby ho avy eo. Anisan’ny anentanana ny olona tsy ho kivy amin’ny zotram-pifidianana izay, fa mba hisoratra ao anatin’ny lisitry ny mpifidy.
“Tena mitombina tsara ve ny tetibola ary araka ny fomba fanaovana tetibola rehetra? Tokony ho tena afa-miaro ny fetezan’ny tetibola ny rafitra mahaleo tena mikarakara fifidianana”, hoy kosa izy momba ny tetibolan’ny Ceni hanatanterahana fifidianana.
R. Nd.