Taorian’ny hetsika nokarakarain’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra, hanolorana fanampiana ho an’ireo traboina any Toamasina, tonga nanatitra ny anjara birikiny sy ireo vokatra azo tamin’izany, teny amin’ny BNGRC, ny mpikambana avy ao amin’ny FMF, afakomaly. Tonga nanaraka azy ireo teny an-toerana ihany koa ny solontenan’ireo ligy.
Hotontosaina ao amin’ny kianjan’ny CFFA Iavoloha, rahampitso, ny lalao hihaonan’ny CFFA Andoharanofotsy sy ny Disciples FC Vakinankaratra. Fifanandrinana tafiditra amin’ny andro fahavalon’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, “Pureplay Football League (PFL)”. Marihina fa mbola mitana ny laharana voalohany ao amin’ny vondrona Atsimo, anatin’ity PFL ity, ny Disciples FC.
Hiditra amin’ny andiany faharoa etsy amin’ny Kianja sentetika Betongolo, anio sy rahampitso, ny baolina kitra ho an’ireo sokajy zandriny, “Ankizy milalao”. Ny sokajy U7, U9, U13 no hifanintsana amin’izany ary hisy ihany koa ny lalao ara-pirahavaviana hotanterahina rahampitso, mba ho mariky ny 8 marsa. Marihina fa ny Analakely Football Academy no mikarakara ity hetsika ity.




