480 ireo sembana ao Toamasina : Hifarana anio, eny Behoririka, ny tolo-tanana fanampiana

Hifarana anio, amin’ny 12 ora atoandro, ny fandraisana ny tolo-tanana (téléthon) hanangonana fanampiana ho an’ny olona manana fahasembanana traboina any Toamasina.

Eny amin’ny foiben-toe­ran’ny Plateforme des fédérations des personnes handicapées de Mada­gascar (PFPH Mad) eny Be­horirika no hanaterana izany, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny tetikasa ao amin’ny PFPH, Radafinian­tsoa Josoa.
Raisina avokoa rehefa fanampiana (akanjo, sakafo, vola…) ary mahazo taratasy fanamarinana avokoa ireo manatitra. Omena mivantana ny olona traboina manana fahasembanana ny fanampiana rehetra satria matetika sahirana izy ireo rehefa misy fizarana noho ny tsy fahafa­hana mivezivezy. “Nisy fanam­piana avy amin’ny fitondrana tany Toamasina, 415 ny olona manana fahasembanana nahazo tohana (voamaina sy vary 5kg) isan’olona ka nankinina tamin’ny federasionina tsiraray tany Toamasina ny fizarana. 480 ny olona voamarina fa manana fahasemba­nana any an-toerana ka ny 95% amin’izy ireo dia rava trano avokoa. Maro ireo sahirana amin’ny fanorenana vaovao ahafahany miverina amin’ ny fiainany andavanandro ka manao antso amin’ny rehetra”, hoy ny sekretera jeneralin’ny PFPH Mad, Ratsiresena Jacques. Ireo olona manana fahasembanana no entanina indrindra hitondra fanampiana ho an’ireo traboina manana fahasembanana any Toama­sina, ho fanehoana fa afaka mifanampy ny samy sembana.
Momba ny zon’ny olona sembana, manao antso amin’ ny fanjakana ny Vovonana hanohizana ny fiarovana ny olona varira izay tafiditra amin’ io sokajy io ihany koa. Maniry koa ny Vovonana ny handraisan’ny filohan’ny Fanavao­zana azy ireo, satria, efa na­petraka ny fangatahana fihaonana fa tsy mbola nivaly. Manana filana manokana tsy azon’ny olon-kafa solona vava izy ireo, araka ny fanazavana.

Vonjy

Partager sur: