Tanterahina etsy Mahamasina ny fampirantiana manasongadina ny harena ara-kolontsaina sy ny fahaiza-mamorona ananan’ny vehivavy avy amin’ireo faritra 23. Hetsika natao hampahafantarana ny asa tanana, toy ny taozavatra sy ny zavakanto vokarin’ireo vehivavy izany. Maneho ny anjara biriky entin’ izy ireo manohana ny toekaren’ny ankohonana sy ny fampandrosoana ny firenena ihany koa. Anisan’ny niatrika izany ny vadin’ny filoham-panjakana, Randrianirina Elisa. Nambarany fa ilaina ny fanohanana sy fanomezana sehatra ho an’ny vehivavy. « Fototra amin’ny fananganana fiarahamonina mirindra sy mandroso ny vehivavy », hoy izy. Nitohy tamin’ny fihaonany mivantana sy nifampizara traikefa tamin’ireo solontenan’ny vehivavy izany. Teo koa ny dinika momba ny vina ho fampiroboroboana ny asa sy ny andraikitry ny vehivavy eo anivon’ny fiarahamonina. Nitohy tamin’ny fialamboly sy fifaninanana fanatanjahantena sy kolontsaina izao fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy izao. Hofaranana amin’ny diabe etsy Anosy ny hetsika.
Ankoatra izany, nitohy tamin’ny fambolen-kazo miisa
3 000 fototra teny Talata Volonondry ny fankalazana. Mbola nitarika izany ny vadin’ny filoham-panjakana. Noderainy ny faharisihan’ny rehetra sy ny fahavononana ho an’ny taninjanaka amin’izao hetsika izao. « Tsy afa-misaraka ny vehivavy sy ny tontolo iainana. Samy miantoka ny aina sy ny fitsimbinana ny taranaka. Loharano ipoirana isika ary miantoka ny fiainan’ny olombelona ny tontolo iainana », hoy izy. Nanteriny fa andraikitry ny vehivavy koa ny fiarovana ny ala sy ny fambolen-kazo. Tsy androany ihany anefa izany fa tena iainana ka entanina ny vehivavy hiaro ny tontolo iainana sy ho amin’ny fanavaozana, araka ny nambarany.
Tatiana A.




