INDRAY MIJERY

Tonga ny vaksiny miaro amin’ny valanaretina Mpox. Fatra 30 000 no azon’i Madagasikara noho ny tohana avy amin’ny mpiray ombon’antoka, Unicef sy ny OMS. Novokarin’ny laboratoara Bavarian Nordic ny vaksiny. Hisitraka azy voalohany ny mpiasan’ny fahasalamana sy ny olona tena ahina amin’ny ambana hifindran’ny aretina. Hatramin’ny 3 marsa lasa teo, 1 086 ny trangana Mpox voatily tamin’ny distrika maro teto Madagasikara.

Mangataka ny hananan’ny vehivavy manana fahasembanana anjara toerana ka hisitrahany ny zo toy ny vehivavy rehetra ny federasionina PFPH. Homarihina anio ny Andro iraisam-pirenena momba ny zon’ny vehivavy. Indroa voahi­lika, indroa tsy voajery ary tsy misitraka ny zony izy ireo amin’ny maha vehivavy azy ary eo koa ny amin’ny maha sembana azy. Nahatsiaro ho tsy misy mpiahy ny olona manana fahasembanana satria tsy mbola milamina ny lalàna sy ny politika momba azy ireo hatramin’izao.

Nosoniavina tamin’ity herinandro ity ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Fampiana­rana teknika sy ny fanofanana arakasa sy ny fikambanana Welthunterhilfe (WHH). Ny “Ministère fédéral de la coopération économique et du développement d’Allemagne” (MBZ) no mamatsy vola ny tetikasa « Passat 4 », izay mi­kendry ny fanamafisana ny fahaiza-manao arakasa eo amin’ny sehatry ny fanodinana fako. Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta, raisina ho modely ny CFP Ankadinandriana hampiharana ny tetikasa. Mialoha izay, hisy ny fandrafetana ireo torolalana ho an’ny mpampiofana sy ny boky ho an’ny mpiofana hahafahana manao fampiharana eo anivon’ny CFP.

Partager sur: