Kaominina Toamasina : ho kandidà ben’ny Tanàna Razafimanana Christian

Nanambara ny ho filatsahany hofidina ho ben’ny Tanàna ao Toamasina, ny Me Razafi­manana Christian. Nambarany fa maromaro ny antony irotsahan’ny olona iray. Misy ny fitsipika ifampifehezan’ny antoko na fikambanana misy azy ka atolotra sy tohanan’ ireo ny te­nany. Manampy izany ny feon’ny fieritreretany fa manana herijika hifaninana ho kandidà noho ny fahatokisan-tenany. Nambarany fa misy ny fangatahan’ny maro satria ma­mim-bahoaka. “Mahatsiaro ho ma­nana adidy amin’ny fitondrana anjara biriky ho fanarenana an’i Toamasina izahay ka he­veriko ho tsy hisy hahasakana ahy amin’ny mety ho filatsahako”, hoy izy. Tale-paritry ny Fa­natanjahantena sy ny tanora, efa filohan’ny delegasiona ma­nokana teo aloha (PDS), nitantanana ny kaominin’i Toama­sina ny tenany.

Tsy misy loko politika
Naneho ny tanjany nandritra ny tsingeritaonany ny 9 ja­noary lasa teo tetsy Anta­nam­borozano izy. Niantso ireo mpisehatra politika maro avy amin’ny fitondrana sy ny mpanohitra. Fepetra tamin’ny fanasana ny tsy hanaovana loko na marika politika. Ni­karakara fifaninanana hatsaran-tarehy ho an’ny mpianatra eny anivon’ny anjerimanotolo koa ny tenany ny alahady teo.
Araka izany, kandidà voalohany naneho hevitra amin’ny mety hilatsahany ho ben’ ny Tanàna izany ny Me Raza­fimanana Christian.

Sajo sy Synèse R.

Partager sur: