“Omena malalaka hanapitra ny fe-potoam-piasana nomen’ny vahoaka azy. Ny dimy taona iasany omen’ny lalàmpanorenana azy. Aleo ny filohan’ny Repoblika hiasa ankalalahana.” Io ny fanehoan-kevitry ny loholona voafidy tany amin’ny faritan’i Toamasina, i Manasoa Donat Tang.
Lavin-dry zareo ny fomba mbola hieritreritra hoe hanao fitondrana Tetezamita aty amin’ny fotoana amaramparanana ny fe-potoam-piasan’ny filohan’ny Repoblika napetraky ny lalàmpanorenana sy ny vahoaka tamin’ny fomba demokratika. Famonoana ny vahoaka efa ao anatin’ny fahasahiranana mangitsokitsoka izao izany.
Fomba fitadiavana seza mora foana izany eritreritra hametraka fitondrana Tetezamita izany. Nambarany fa efa miroso amin’ny fanatanterahana fididianana ny Ceni amin’izao fotoana izao. Nohamafisiny koa fa efa misokatra amin’ny olona sy ny mpiara-miombon’antoka rehetra hahazoana ny tetibola hamatsiana ny fanatanterahana io fifidianana hatao amin’ny faramparan’ny taona io ny mpikarakara.
R. Nd.