Hanatanteraka atrikasa mahakasika ny Slam Poésie ny Madagaslam Section Tananarive na MST. Ny asabotsy 11 febroary 2023, amin’ny 10 ora maraina, ao amin’ny Cercle Germano -Malagasy na CGM Analakely. Tajero sy Seth Seven no hizara ny traikefany sy ny fahaiza-manaony amin’io fotoana io. Hetsika natao hamaliana ny filàn’ireo mpankafy sy ny maniry ny hiroso amin’ny matihanina kokoa eo amin’ny sehatry ny Slam Poésie izy ity.
Ao anatin’ny fikarakarana hetsika hanatrarana ny vina amin’ny fampiroboroboana ny Slam Poésie eto Madagasikara ny tompon’andraikitra, indrindra ny eto Antananarivo, mivondrona ao amin’ny MST. Efa hita ary tsapa ny ezaka nataon’ny tompon’andraikitra. Tsikaritra mantsy ny fahamaroan’ny mpandray anjara mandritra ireny sehatra misokatra ho an’ny rehetra ireny. Maro ireo olom-baovao miezaka miditra tsikelikely eo amin’ny tontolon’ny Slam Poésie. Mihamitombo ihany koa ny mpankafy.
Ny fahatsapana izany rehetra izany no nanosika ny tompon’andraikitry ny MST, hanatontosa atrikasa ho an’ ny Slam Poésie. Natao izany hampitana ny fahaiza-manao sy ny traikefa ho an’ny vao misandratra, indrindra ny tanora. Eo ihany koa ny firosoana ho amin’ny matihanina kokoa. Isan’ny hizara ny traikefany amin’izany i Tajero, izy izay sokajin’ny mpiangaly Slam ho oloben’ny Slam eto Madagasikara, indrindra ny eto Antananarivo. Eo ihany koa i Seth Seven izay efa mpanao atrikasa momba ny Slam Poésie hatramin’izay.
Tanjon’ny fikambanana ny hampivoatra sy hampiroborobo ny taranja Slam Poésie eto Madagasikara.
Lin (Mpianatra asa)