Fiahiana ara-tsakafo : Nahomby ny tetikasa Magnovasoa

Notombanana ny herinandro lasa teo, ny tetikasa Magnovasoa, momba ny fanamafisana ny fahafaha-miatrika ho an’ny fiahiana ara-tsakafo sy ny fanjarian-tsakafo. Nanatontosa ny tombana ny Pam sy ny Unicef ary ny Ofisim-pirenena momba ny fanjarian-tsakafo (ONN), izay manantanteraka ny tetikasa rahateo ho an’ny faritra telo iasana.
Natomboka ny taona 2023 amin’ny kaominina efatra ny asa ao Ifotaka sy Tsoviry, Sihanamaro ary Itampolo. Zava-dehibe ny fandrindrana ny asa ho an’ny fanjarian-tsakafo, izay tokony hanaraka ny politikam-pirenena sy ny drafitrasa nasionaly marolahy ho an’ny fanjarian-tsakafo.
Niompanan’ny asa ny fampisitrihana rano madio ka olona 31 810 no afaka nampiasa izany. Nahazo tohana ara-tsakafo ny ankizy latsaky ny 2 taona, miisa 15 000, sy vehivavy mitondra vohoka ary mampinono, 11 000 isa. Nampiana ny tantsaha ka 7750 ireo afaka mivelona amin’ny fihariana maharitra ary nahazo hiafina ny olona 54 000 avy amin’ny fandaharanasa. Tsara ny vokatry ny tetikasa satria nisoroka sy nandray an-tanana ny tsy fanjairan-tsakafo ka nitondra fahasalamana ho an’ny kilonga. Nanosika ny fianakaviana hiatrika ny krizy ny tohana ara-bola azony.

Vonjy

Partager sur: