Volley-ball – CCCOI 2026 : Nihambozona medaly volafotsy ny Zandary lehilahy

Narovan’ny zandary lehilahy ny voninahi-pirenena tany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina, ho an’ny ekipa tompon’ny amboara (CCCOI 2026), taranja volley-ball. Tompondaka lefitra izy ireo, ary nitondra medaly volafotsy nody.

Nifarana ny sabotsy lasa teo, tao amin’ny kianja mitafon’i Victoria Sey­chelles, ny andiany faha-30 amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina, ho an’ny ekipa tompon’ny amboara (CCCOI 2026), faritra faha-7 taranja volley-ball, lahy sy vavy. Ani­san’ireo nandray anjara tamin’izany ny Malagasy.
Tsy niveri-maina fa nitondra amboara nody ny Gen­darmerie VBC, teo amin’ny sokajy lehilahy. Nahazo ny laharana faharoa ary nihambozona ny medaly volafotsy ny zandary rehefa resin’ny Tampon Gecko Volley 974 La Réunion (TGV), teo amin’ny famaranana. Lavon-dry zareo Renione, tamin’ny seta mazava 3 no ho 1 ny Gendarmerie. Nisantatra ny fahazoana ny seta ny Malagasy, tamin’ny isa 25 no ho 23. Nihevitra ny rehetra fa tsy hahatohitra ny Mala­gasy intsony ry zareo TGV saingy nifamadika tamin’izany no nitranga. Seta faharoa, 25 no ho 20. Niezaka hatrany ny mpilalaon’ny zandary saingy nahay nametraka ny fanafihany ny renione. Tsy nanary baolina ary nampiasa ny fiarovana ambony ka sahirana ireo mpilalaon’ny zandary.
Tsy niady intsony ny seta fahatelo sy fahefatra. Hita nitaky teny amin’ireo Malagasy mpilalao rahateo ny havizanana. Vokany, nalalaka ny lalan’ny TGV naka ireo seta roa ireo. 25 no ho 16 ny seta fahatelo ary 25 no ho 16 ny seta fahefatra. Mbola voatazon’ny Tampon Gecko Volley 974 ha­trany izany, ny anarana maha tompondaka azy. Tsia­hivina fa nandresy ny ekipan’ny St Denis avy ao La Réunion ny Gendarmerie, teo amin’ny manasa-dalana. Mbo­la ny TGV vehivavy ihany koa nahazo ny medaly volamena raha nandavo ny Anse Royale Seychelles, tamin’ny seta 3 no ho 2 (23/25, 25/19; 14/25; 25/22; 15/11).

Tompondaka

Partager sur: