Fiovan’ny toetr’andro: Nihamaro ny aretina kitrotro na ny nendram-boalavo

Tsy voatery ho Mpox rehefa misy mibontsimbontsina mivoaka eny amin’ny hoditra. Indraindray nendram-boalavo izany na kitrotro. Fotoana mampirongatra ny karazan’aretina ny mafana sy avy orana toy izao.

Efa vanim-potoana ma­marana ny orana isika izao, eto Madagasikara. Noho ny fiovaovan’ny toetry ny andro sy ny fiakaran’ny rano ary ny fiparitahan’ny loto isan-karazany, mihamaro ny isan’ny olona tonga manatona toeram-pitsaboana.
Maro karazana ny aretina mahazo ny olona, toy ny aretin-kibo, gripa ary ny aretin-koditra isan-karazany, raha ny fanazavan’ny mpitsabo tsy miankina iray etsy 67Ha Atsi­mo. Tsika­ritry ny mpitsabo fa mirongatra ny kitrotro na ny nendram-boalavo. Tena lasibatra indrindra amin’izany ny zaza sy ireo olona efa nahazo taona.
Ahitana mivontovonto ny amin’ny vatan’ny marary, saingy mora sitranina kosa izy io raha oharina amin’ny Mpox. “Somary mahery vaika kokoa ny fisehon’ny aretina nendran-drajako”, hoy ny fanazavan’ny Dr Rakotonindrainy Norbert.
Betsaka kokoa ny mivontovonto miseho eny amin’ny vatan’ny marary ary mamela tasy maintimainty amin’ny vatany izany rehefa sitrana ny aretina Mpox. Manodidina ny herinandro ny fitsaboana dia afaka ny hafanana amin’ny mararin’ny nendram-boalavo.
Ankoatra izay, maro ihany koa ny aretin’ny taovam-pisefoana eo amin’ny ankizy. Betsaka ny zaza sempotra na tratran’ny aretina antsoina hoe: Bronchiolite, raha ny fanazavana voaray.
Entanina hatrany ny olom-pirenena tsirairay mba hanaja ny fahadiovana ao an-tokantrano sy eny amin’ny manodidina ny tanàna. Toy izay ihany koa ny fahadiovan’ny sakafo hohanina sy ny tanana.
Anisan’ny mitondra otrikaretina any an-kibo sy ny tsinay izany raha tsy voatandrina. Mila ampitomboina ihany koa ny hery fiarovana mba hisorohana ny fahasarotana mety hahazo ilay marary.
Raha ho an’ity toeram-pi­tsaboana tsy miankina nanaovana fanadihadiana ity, manodidina ny 100 isan’andro eo ny fitambaran’ny olona tonga manatona eny an-toerana.

Mino

Partager sur: