Tsy mandalo antanan-tohatra fa avy hatrany dia mivantana amin’ireo mila tohana ny fanampiana ho an’ireo mpitsabo mpanampy niharam-boina nandritra ny fandalovan’ilay rivodoza Gezani farany teo. Ny filohan’ny Holafitry ny mpitsabo mpanampy na ny Conim, Botosera Jean Aime, mihitsy no nanatitra izany an-tanana ary ireo tokony hisitraka izany mivantana ihany koa no nandray azy.
Manaporofo ny mangarahara sy ialan’ny ahiahy, fa indrindra haingana ny fisitrahana ny fanampiana toy izao. Tsy ataon’ny isam-pikambanana sy ireo vondron’olona tsara sitrapo mpanao asa soa intsony ny manatitra fanampiana eny anivon’ny BNGRC amin’izao fotoana fa avy hatrany dia any amin’ny olona hisitraka izany fanampiana izany no aterina izay voarambin’ny tanana.
Teny amin’ny Hopitaly kely no nanaterana ny fanampiana, nahitana vary makalioka iray taonina. 25 andro taorian’ny rivodoza Gezani isika izao ary tena mbola lavitr’ezaka ny fanarenana ny fahavoazan’ireo tokantrano niharam-boina. Nambaran’ny filohan’ny Holafitra hatrany fa fanombohana ity fa efa misy fanampiana maro avy amin’ny fivondronamben’ny Holafitry ny mpitsabo mpanampy avy any ivelany ka miandry ny fahatongavan’ny sambo mpitondra entana ary hisitraka izany avokoa ireo mpitsabo mpanampy traboina.
Sajo




