Dr Ravelomanantsoa Santatra, lehiben’ny sampana fikarohana ara-pambolena ao amin’ny Fofifa, no nandrombaka ny lokan’ny “Fondation Farm 2026” natolotra tao Paris, ny 17 febroary teo. Mpikaroka mpampianatra momba ny fahasalaman’ny zava-maniry sy ny kalitaon’ny vokatra aorian’ny fijinjana izy. Ny voka-pikarohana nataony no nahafahana nampihena ny fiparitahan’ny bakteria manimba ny voly ovy… Zava-bita lehibe ho an’ny tantsaha sy ny famokarana ara-pambolena eto Madagasikara izany.
Efa mivolon’andro ririnina nanomboka ny alahady teo. Mangatsiaka ny maraina ary misy erikerika manify sady mamanala. Manevokevoka ny atoandro na tsy dia miposaka loatra aza ny masoandro. Mbola ao anatin’ny vanim-potoan’ny fahavaratra anefa isika izao, raha ny filazan’ny mpamantatra ny toetry ny andro. Mila atao mafana ny ankizy mandeha mianatra amin’ny maraina.
Maro karazana ny hosotrosotra amin’ny tarehy isarihana ny vehivavy miparitaka eny ambony tambajotran-tserasera. Tsy mandalo laboratoara sy fanandramana fa avy hatrany dia amidy entina hanambakana olona. Tokony ho mailo ny rehetra fa tsy roboka amin’ny zavatra tsy misy fandalinana mba tsy hampidi-doza.




