Tsy afaka hijery sy hankafy baolina kitra divizionina voalohany nasionaly ny mponina ao Mahajanga raha tsy milamina ny disadisa misy eo amin’ny mpitsara sy ny federasionina. Lasa resy tsy miady ireo klioba any an-toerana, efa niharan’izany ny Tsaramandroso FC.
Noho ny disadisa misy eo amin’ny mpitsara sasany, any Mahajanga, sy ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), lasibatry ny sazy tsy avy aminy ny klioba sy ny mpijery ny fifaninanana “Pureplay Football League (PFL)” ao amin’ny faritr’i Boeny. Tsy tontosa ny faran’ny herinandro lasa teo, tao amin’ny Kianja Rabemananjara, ny lalao miverina teo amin’ny Tsaramandroso FC Boeny sy ny Cosfa miaramila, na dia efa tonga marobe tao an-kianja ary ireo mpijery. Etsy ankilany, voatery nahazo isa telo tsy niady akory, ny Cosfa, ekipa mpanafika.
Raha ny fanazavana azo tamin’ny CFEM, tomponandraikitra voalohany tamin’ny fandraisana ny lalao ny ekipa mpampiantrano, Tsaramandroso FC, ka rehefa tsy mandeha izany dia mahazo isa telo avy hatrany ny ekipa raisina.
Ampahafantarina ihany fa antony iray tsy nahafahana nampandeha ny lalao tany an-toerana ny fanesoran’ireo mpitsara manao fitakiana ny tsatoby teny ambony kianja. Tsara marihina fa olana efa heno hatry ny ela ity zava-misy any Mahajanga ity, saingy tsy mbola nandray andraikitra mahakasika izany ny rafitra federaly eto Madagasikara. Mampametra-panontaniana ny mpankafy kitra malagasy izany. Tena mitady fampandrosoana ny baolina kitra marina ve ny mpitantana eto Madagasikara sa mila voninahitra fotsiny?
Antso avo!
Manao antso avo amin’ny Federasionina sy ireo mpitsara ireo ny filohan’ny ligy any an-toerana. “Miantso ny Federasionina eto amintsika aho mba hamaha io olana io satria lasa mizaka ny voka-dratsy ateraky ny korontana ny klioba mampiantrano aty an-toerana. Mangataka an’ireo mpitsara mba hitady hevitra hafa amin’ilay fanohizana ny tolona”, hoy ny mpitantana iray eo anivon’ny ligin’ny Boeny.
Nomarihin’ity mpitantana ity moa fa ny baolina izay karakarain’ny Ligy dia mizotra tsara tsy misy olana.
F.R




