Ny ekipa nisy an’i Dylan Rocher sy i Robineau ary i Rizzi no nibata ny amboara tamin’ny « Passion pétanque Française (PPF 2026). Resin’izy ireo teo amin’ny famaranana, tamin’ny isa 13 no ho 10, ny ekipan’ Andriantseheno Christian (Racl). Lalao natao ny alahady lasa teo, tao Douaisis France.
Hotanterahina etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny 24 ka hatramin’ny 28 marsa ho avy izao, ny fiofanana ho an’ny mpanazatra taranja handball, manana ny “licence D-IHF”. Hiara-dalana amin’io koa ny an’ny mpitsara eto an-toerana. Hitarika izany ny manam-pahaizana avy amin’ny federasionina iraisam-pirenena.
Notoloran’ny Federasionina malagasin’ny baskety (FMBB) mari-pankasitrahana ireo mpitsara mpanara-maso (commissaires aux matchs) avy amin’ny ligin’Analamanga. Notanterahina, omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina izany.




