Olona 30 nampiofanina ho lasa mpampiofana, hampihenana ny ambana mety hampiparitaka ny areti-mifindra, eto Madagasikara sy ivelan’ny sisintanin’i Etazonia, anisan’izany ny Mpox na nendran-drajako.
Manofana ireo Malagasy manam-pahaizana momba ny fiarovana amin’ny otrikaretina sy akora biolojika anaty laboratoara, araka izany ity firenena ity.
“Ny fisian’ny rafitra laboratoara matanjaka eto Madagasikara no hiaro ireo fianakaviana malagasy sy amerikanina. Tsy voasakan’ny sisintany ny valanaretina ka rehefa afaka mitsirika haingana sy mifehy ny ambana ara-pahasalamana eto aminy i Madagasikara, dia azo antoka ny filaminantsika rehetra”, hoy Steve Bremner, lefitra mpisolo toeran’ny lehiben’ ny Misiona amerikanina.
Ao anatin’ny tetikasa “Strides” hanompanana vola an-tapitrisany dolara no hahafahana manatanteraka izany. Fampiasam-bola izay manamafy ny fizakan-tenan’i Madagasikara. Ireo manam-pahaizana nahazo fiofanana dia ho afaka hahavita tena hampandeha ireo laboratoara anaty fenitra iraisam-pirenena ka hampihena ny fiankinandoha amin’ny fanampiana ara-teknika avy any ivelany.
Tatiana A




