Efa miantoka sahady ny fitsaboana tokony hatao ny fananana fomba fiaina sy fahazarana tsara ara-pahasalamana raha ny toromariky ny dokotera. Avy hatrany dia manampy ny olona iray hisoroka ny aretina maro ny fananana izany fahazarana izany. Manampy ny vatana hahazo hery sy hiaro tena amin’ny aretina samihafa izany.
Isan’andro, sakafo voalanjalanja, legioma sy voankazo no tokony hohanina ary misotro rano betsaka. Afaka ohanina koa ny hena tsy matavy sy ny karazana trondro ary ny atody.
Mila mihetsiketsika mampiasa vatana, indrindra rehefa avy misakafo, fa tsy avy hatrany dia mipetraka na matory. Mandeha an-tongotra kely dia efa mety. Tokony hanao fanatanjahantena 30 mn isan’ andro hampikoriana tsara ny ra sy hampatanjaka. Tena zava-dehibe ny torimaso ka tsy tokony hatao ambanin-javatra. Matory adiny 7 hatramin’ny adiny 8 mandritra ny alina. Ferana tanteraka ny siramamy sy ny sira ary ny sakafo matavy. Fadiana ny toaka be loatra sy ny sigara
fa mampikorontana zavatra maro anatin’ny vatana.
Anisan’ny tena sarotra kanefa tsy maintsy atao ny fifehezana ny rarintsaina. Rehefa mahatsapa fa tena feno ny saina sy ny fo, reraka ny vatana dia miala voly na mitokana kely maka aina, miala amin’ny tabataba…
Manampy amin’ny fisorohana ny karazan’aretina maro, toy ny diabeta, tosidra avo, hatavezana ary aretim-po ny fananana ireo fahaiza-miaina tsotra ireo. Mora kokoa ny fitsaboana ny olona manaraka fomba fiaina salama ary sitrana haingana kokoa sy mandray tsara ny fanafody ny vatany. Miha mafy ny hery fiarovana.
Tatiana A




