Rugby – “XXL Top 12” : Hangotraka ny lalaon’ny FTM sy CEA

Hiditra amin’ny andro fahafito ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby, “XXL Top 12”, ny alahady ho avy izao. Fihaonana hotanterahina etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka. Hanamarika izany ny fihaonan’ny FTM Manjakaray sy ny CEA Andranomanalina. Hangotraka sy hanana ny lanjany manokana io lalao io satria hamaritra ny mety ho tohin’ny lalan’ny roa tonta. Adin’ny laharana faharoa, CEA, sy ny fahatelo, FTM, no hitranga. Tsy ho tafiditra ao anatin’ny roa voalohany intsony izay resy eo. Tsiahivina fa avy hatrany dia miandry manasa-dalana ny voalohany sy faharoa raha manao lalao sakana kosa ny fahatelo ka hatramin’ny fahenina. Hatreto, ny Cosfa (Bebaoty) no mitarika amin’ny filaharana vonjimaika.
Lalaon’ny samy henjana no hatrehina. Mampiavaka ny FTM Manjakaray ny fahazarana miaraka. Andranomanalina kosa ahitana ireo mpilalao matanjaka sy teknisianina. Irarin’ny rehetra hatrany mba ho mpitsara matihanina maharaka lalao no hitantana ny fihaonana amin’io.

Tompondaka

Partager sur: