Hotanterahina anio, ao amin’ny Kianja Santiago Bernabeu, Espagne, ny fifanandrinan’ny Manchester City, anglisy sy ny ekipan’ny Real Madrid, klioba espaniola. Fihaonana izay tafiditra amin’ny lalao mandroson’ny ampahavalon-dalan’ny “Ligue des Champions 2026”. Mbola manala vela amin’ity fihaoanana ity moa ny Real Madrid.
Hiatrika fifaninanana any Genève indray ny Malagasy mpilalao tsipy kanetibe. Fihaonana hatao ny 14 sy 15 marsa ho avy izao. Lalao ho an’olon-droa miaraka izy io ary miisa 24 ireo hifaninana. Anisan’ny nahazo fanasana amin’izany i Zigle sy i Sedrick Yves. Ankoatra azy ireo, eo koa i Patrick Emile (Pap’s) sy i Bezandry Thierry (Masaka).
Nanainga anio tolakandro ny ekipa malagasy, taranja basikety 3×3, hihazo an’i Thaïlande, Bangkok, hiatrika ny lalao “Champions Cup 2026”. Ireo ekipa efa niatrika ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, natao teto Madagasikara ihany, no mandrafitra ny ekipa nasionaly, ahitana an’i Sydy, Christiane, Sambatra Ary i Sarobidy, eo amin’ny vehivavy. I Livio, Elly, Anthony ary i Arnol kosa eo amin’ny sokajy lehilahy.




