Taranja Basket Ball : Sambany hisy “Élite U23” eto Madagasikara

Teo amin’ny tantaran’ny basikety malagasy, sambany ny fisian’ny fifaninanana natokana ho an’ny sokajy latsaky ny 23 taona, toy ity karakarain’ny ligin’Analamanga ity. Fifaninanana nanomboka ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Kianja mitafon’­ An­korondrano ary hatao isaky ny faran’ny herinandro, mandritra ny 8 volana. Ekipa 10 eo amin’ny sokajy lehilahy sy 7 eo amin’ny sokajy vehivavy no mifaninana ary efa nisy lalao 8 nitranga ny zoma sy sabotsy teo. Lalao anisan’ny nafana ny fifanandrinana teo amin’ny MB2All sy ny Pintade, teo amin’ny sokajy vehivavy. Niady ny fihaonan’ny roa tonta hatrany am-piafaran’ny lalao, saingy norombahin’ny Pintade ny fandresena, tamin’ny isa 68 no ho 64. Toy izany koa ny teo amin’ny sokajy lehilahy, nifanandrinan’ny AKBB sy ny Fandre­fiala ka azon’ny AKBB ny fandresena, tamin’ny isa 72 no ho 67. Nandresy ny ekipan’ny MB2All kosa ny BCNA, tamin’ ny isa 76 no ho 67.

Ny hamolavolana mpilalao ho lasa N1A no tanjona amin’ity fifaninanana Elite U23 ity, araka ny nambaran’ny filohan’ny ligin’Analamanga ny basikety, Ratovonjanahary Haingo Mampionona. Miezaka ny mam­panaraka ny fifaninanana amin’ny fenitra iraisam-pirenena ny ligy. Tetsy ankilany, nambaran’ny filohan’ny Federa­sionina malagasin’ny basikety, Ramaroson Jean Michel, fa hasiana lanjany izao finiavana asehon’ny ligin’Ana­lamanga izao ka amin’ity Elite U23 ity no hitiliana izay hanao “Nations League U23” amin’ny volana jona sy jolay izao.

Mi.Raz

Partager sur: