Tranga misy eny anivon’ny fiarahamonina ny fanolanana ny vady ao an-tokantrano saingy hodian-tsy hita na tsy misy sahy miresaka. Rehefa atao an-tery ny firaisana na mpivady aza dia efa herisetra ara-pananahana izay.
“Matetika tsy mbola eken’ny sain’ny Malagasy ny tranga fanolanana eo amin’ny mpivady kanefa tena mateti-pitranga izany”, hoy ny tomponandraikitra ao amin’ny Brigade féminine de proximité (BFP), ny Contrôleur général de Police Randriambelo Mandimbin’Ny Aina.
Heverin’ny fiarahamonina fa tsy misy izany tranga izany fa tokony handeha hilamina foana ny fiainana ara-pananahan’ny mpivady kanefa tsy izay no zava-misy. Misy koa ireo lehilahy mampiasa fitaovana hafa an-tery amin’ny vadiny izay midika ho herisetra ara-batana tsotra izao.
Raha an-tery ny fanaovana firaisana ara-nofo fa tsy fifaneken’ny roa tonta dia efa herisetra izay. Rehefa mandà noho ny havizanana na fahalainana fotsiny ny vehivavy dia efa teren’ny vadiny hiray aminy. Tonga amin’ny fananganan’ady ao an-tokantrano sy fandevilevena na fandratrana mihitsy ny tohin’izay ary miafara amin’ny herisetra ara-batana sy ara-tsaina.
Maro ireo vehivavy mitaraina amin’ny fanolanana ataon’ny vadiny. An-terisetra no hanaovana ny firaisana ara-nofo ao an-tokantrano fa tsy ifaneken’ny roa tonta. Miteraka tahotra sy horohoro izany fanolanana izany.
Etsy andaniny, mbola eo ambany fiahian’ny vadiny ny ankamaroan’ny vehivavy ary miera isak’izay hanao zavatra. Tsy mahatsiaro tena ho manana fahaleovantena na amin’ny fanapahan-kevitra raisina aza.
Tsy mahazo fankatoavana rehefa maniry handrindra fiterahana ka lasa mandeha antsokosoko any amin’ny dokotera manao izany ny renim-pianakaviana. Mahazo fanakianana mivaivay raha misafidy ny hanao fanabeazana aizana.
Tokony halalaka amin’ny safidy anefa ny vehivavy amin’ny fanaovana firaisana ara-nofo na tsia. Torak’izany amin’ny fampiasana fanabeazana aizana. Tomponandraikitra tanteraka amin’ny vatany izy ary mahafantatra izay mety sy mahasoa ny tenany.
Tatiana A




