Nanao sonia fiaraha-miasa ny fondation Akbaraly sy ny Unicef hanatsarana ny fisitrahan’ny vehivavy sy ny ankizy tolotra fahasalamana eto Madagasikara. Haharitra telo taona ny asa, hampihenana ny taham-pahafatesan’ny reny sy ny zaza sy hanatsarana ny kalitaon’ny tolotra. Efa samy manana fahaiza-manao momba ireo ny roa tonta. Hanamafy ny rafitry ny fahasalamana, fanaovam-baksiny, fanjarian-tsakafo ny Unicef. Manana fotodrafitrasam-pahasalamana sy cliniques mobiles afaka manatona vahoaka eny ifotony ny fondation. Manana traikefa manokana amin’ny fisorohana sy ny fitiliana ny homamiadana mpahazo ny vehivavy rahateo izy ireo. Mitodika amin’izay ny fiaraha-miasa ka hisy ny fanatsarana ny tolotra ho an’ny fahasalamana ara-pananahana sy ny fisorohana ny fitiliana ny homamiadana mpahazo ny vehivavy. Hampiana ny tohana amin’ny fanaovam-baksiny miaro amin’ny HPV sy ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. « Hotanterahina eto Analamanga, Matsiatra Ambony, Boeny, eny anivon’ny tobim-pahasalamana sy ny clinique mobile ny sahanasa. Hanatsara amin’ny fomba maharitra ny tolotra fahasalamana ny fiaraha-miasa amin’ny fondation », hoy ny solontenan’ny Unicef, i Christine Jaulmes.
Vonjy




