Basikety- Champions Cup R: Resin’i Australie i Madagasikara

Faharesena no nisantaran’ny Ankoay, lehilahy, ny fandraisany anjara amin’ny fifaninanana “Fiba 3X3 Champions Cup”, taranja basikety lalaovin’olona 3, tanterahina any Bangkok, Thaïlande. Omaly no niakatra an-kianja voalohany ny Ankoay lahy, nifanehatra tamin’i Austra­lie teo amin’ny lalao voalohany. Resy ta­min’ny isa 21 no ho 17 ry Elly sy ny namany nandritra izany, na dia tena niezaka mafy azy. Tsy ampy rahateo ny fifantohana ka nahatonga ny faharesena. Mbola tsy nahomby ihany koa izy ireo teo amin’ny lalao faharoa, nanoloana ny ekipan’i Etazonia. Vao mainka niharatsy ny vokatra satria isa 22 no ho 11 no nandavoan’i Etazonia ny ekipa malagasy, sokajy lehilahy. Na eo aza ireo tsy fahombiazana ireo, mbola vonona hanarina izy ireo, anio, manoloana ny ekipan’i Pays-Bas, amin’ny lalao fahatelo hatrehiny. Etsy ankilany, hifandrina amin’i Pays-Bas sy i Australie ihany koa ny Ankoay, vehivavy, ho amin’ny anio.

Mi.Raz

Partager sur: