Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, tany amin’ny Oniversiten’Itasy, ny taom-pianarana vaovao, 2025-2026, ho an’ny oniversitem-panjakana sy ny IST rehetra manerana ny Nosy. Nankasitraka ireo mpampianatra sy mpandraharaha izay mamolavola ny tanora ho lasa olom-banona ny filohan’ny fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Michaël, nandritra izany. Nanafatra ireo mpianatra koa izy hanana fikirizana amin’ny fianarana satria izy ireo no hoavin’ny firenena.
Hanohana feno ny tontolon’ny fampianarana ny fanjakana. Hamboarina ny lalana mihazo an’i Soavinandriana. Itondrana fanavaozana ihany koa ny fandoavana ny vatsim-pianarana. Novaliana avy hatrany ny momba ny famatsiana rano amin’ny alalan’ny fanaovana forage ao Itasy.
Nankatoavin’ny Filohan’ny Fanavaozana ihany koa ny fahazoana fiara fitaterana roa ho an’ny Oniversiten’i Toamasina. Anisan’ny mampitaraina ny mpianatra ny fandoavam-bola 4 hetsy isan-taona ka hodinihin’ny fanjakana ny vahaolana momba izany.
Tatiana A




