Ahmadiyya : Nanome tohana ny mponin’i Tongarivo

Toy ny fanaony isan-taona, mandritra ny volana masina Ramadany, tokantrano 350, avy ao amin’ny fokontany Ton­garivo, distrikan’Atsi­mondrano, no nahazo tohana avy amin’ny fikambanana mi­ziolomanina Ahmadiyya, omaly, teny amin’ny moske Tongarivo. “Hetsika efa fanao isan-taona, mandritra ny volana masina Ramadany, ny hetsika toy izao. Tsy misy fanavahana sarangan’olona ny fisitrahana ny fanampiana toy izao, fa mariky ny fiombonam-po sy fitiavana ary ny fifampizarana”, hoy ny mpitarika ny Mi­ziolomanina Ahmadiyya, i Ahmad Mujeeb. Mifandraika indrindra amin’ny teny fanevan’izy ireo hoe: “Fitiavana ho an’ny rehetra, tsy fankahalana na iza na iza” izany. Anisan’ ireo tonga teny an-toerana nanome voninahitra sady nankasitraka ny miziolomanina Ahmadiyya ny lehiben’ny distrikan’Atsimondrano. Tsy afa-misaraka fa mifameno hatrany ny fivavahana kristianina sy ireo mpanaraka ny foto-pinoana silamo. Ao anatin’ny karemy rahateo koa isika amin’izao, araka ny fanazavany. Naneho fisaorana ny fi­kam­banana Ahmadiyya koa ny sefo fokontany ao Tonga­rivo. “Ma­riky ny firaisankina eo amin’ny sehatry ny finoana ny fihetsika asehon’ny fikambanana mi­ziolomanina Ahmadiyya toy izao”, hoy izy. Marihina fa ankoatra ny ao amin’ny moske Tongarivo, misy hetsika toy izao koa eny amin’ny foiben-toeran’ny Ahmadiyya eny Andavamamba.

Jean Claude

Partager sur: