Rugby- ” XXL Top 12″: Adin’ny samy kartie ny an’ny CEA sy ny FTM

Hiavaka ny andro fahafito amin’ny fifaninanam-pirenena, taranja rugby XXL Top 12. Hifan­dona amin’izany ny ekipa samy kartie, dia ny FTM Manjakaray sy ny CEA Andrano­manalina. Ho tafiditra ao anatin’ny roa voalohany izay mivoaka ho mpandresy, amin’ity.

Kihon-dalana lehibe eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madaga­sikara, taranja rugby “XXL Top 12”, ny andro fahafito. Fi­haona­na hotanterahina ra­hampitso, etsy amin’ny Kianja Makis Ando­hatapenaka. Ha­namarika izany ny fifandonan’ny CEA Andranomanalina sy ny FTM Manjakaray. Hi­endrika famaranana kely ny fi­haonan’ny roa tonta. Lalaon’ ny samy kartie ary hanana ny lanjany satria tsy ho tafiditra roa voalohany intsony izay resy eo. Efa an-taonany maro, rahateo, no tsy nifandona ny roa tonta.
Samy manana ny mampiavaka azy ny andaniny sy ny ankilany. Manana mpilalao be traikefa, tanora, matanjaka avokoa izy ireo. Andranoma­nalina, tarihin-dry Laou sy i Jean-Yves miampy an’i Romeo sy Julio, mpilalao nandrafitra ny FTM fahiny. Hidona amin-dry Lahatra sy i Koroka ary i Gros sy i Babaina ry zalahy eto.
Heverina fa ho lalaon’ny mpanazatra no hiseho amin’ity satria samy teknisianina ny mpilalao eny ambony kianja. Tombony ho an’ny ekipan’i Manjakaray ny fahazarana mi­araka sy miatrika lalao goavana. Ny tolotolotra haingana sy ny hazakazaka kosa ny an-dry zareo Andrano. Tsiahivina fa indray mandeha resy avy ireto fileovana roa ireto. CEA no eo amin’ny laharana faharoa vonjimaika raha fahatelo ny FTM.
Mialoha io lalao io, hangotraka ny fifanandrinan’ny UASC Cheminots (Besetroka) sy ny Mang’Arts Manjakaray. Hanala vela amin’ity ry zareo Besetro­ka. Eo koa ny fihaonan’ny STM (Savony) sy ny USA Ankadifo­tsy. Ry zareo Savony, tsy mbola nahazo fandresena hatreto. Hanokatra ny lalao ho an’ity andro fahafito ity ny sokajy D1, vehivavy, ka hifandona ny UASC Cheminots sy ny RCTS Soavimasoandro

Tompondaka

Partager sur: