Nanokana fotoana ankalazana ny andro ho an’ny zon’ny vehivavy ny Vondron’ny vehivavy maherin’Anosy Avaratra (VVMAA). Notanterahina afakomaly izany.
Nisy fankalazana manokana ny andro ho an’ny zon’ny vehivavy teny Anosiavaratra, afakomaly. Natomboka tamin’ny filaharambe niainga teo amin’ny renivohitry ny kaominina, namakivaky tanàna izany, niafara tao amin’ny Kianjan’ Isahafa. Nisy ny fifaninanana natokana ho an’ny vehivavy. Nahitana baolina kitra, basikety, hazakazaka, dihy, zumba niarahana tamin’ny mpanentan’ny Yas.
Nahitana tranoheva nitsirihana mamaimpoana ny zaza tratry ny tsy fanjarian-tsakafo sy fandraisana an-tanana izay mila izany tny an-toerana. Nisy ny fitsapana ny haavon’ ny tosidra, ny fitiliana ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza sy fikarakarana ho an’ireo voan’izany ary ny fandrindrana maharitra ny fiterahana niarahana tamin’ny CSBII Anosy Avaratra sy ny Marie Stop Madagascar.
Mahazatra
Efa fanaon’ny VVMAA isan-taona ny fanamarihana manokana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy fa ny nampiavaka ny tamin’ity taona ity dia ny fahatsiarovana an’i Bebesam, mpikambana anisan’ny mpanorina ny vondrona. Vondrom-pikambanana niorina ny taona 2024 ny VVMAA, ahitana fikambanam-behivavy 14. Sehatra maro no efa nitondrany fanavaozana sy tosika ho fampandrosoana eo anivon’ny kaominina misy azy ireo. Anisan’izany ny fanofanana ny tantsaha ho matihanina eo amin’ny fivelomany (fiompiana, fambolena, asa tanana). Teo koa ny fanomezana tosika ara-pitaovana sy filana fototra eo amin’ny famokarana (masomboly, ambiokam-piompiana, zezika….). Nanampy ireo ny fanofanana arakasa ho an’ny tanora, ahafahany miditra amin’ny sehatry ny asa anivon’ny orinasa afakaba.
Nandritra ny fihaonana, ny faran’ny herinandro teo, nohamafisin’ny filohan’ny vondrom-pikambanam-behivavy, i Cindy Vermeille Rakotondralala fa “ny vehivavy no motera mampihodina ny fiainam-pianakaviana sy ny fiainam-piarahamonina. Takin’ny vaninandro ankehitriny ny vehivavy mijoro ho andry iankinan’ny fampandrosoana”.
Vonjy




