Nanjombona mbola atoandro ny tontolon’ny baolina kitra malagasy. Maty ilay kintan’ny baolina kitra, Rakotondramasy Desiré, fantatra ny maro amin’ny hoe: Dezy Ramasy. Toy ny nilatsaham-baratra ny rehetra nandray ny vaovao. Tampoka loatra tamin’ny mpankafy fa tsy heno narary na nanaovana antso fanampiana tetsy sy teroa Itompokolahy.
Kintana tena namiratra tao amin’ny faritr’i Boeny, i Dezy Ramasy. Fantatry ny rehetra tamin’ny hakingan’ny tongotra havia, amin’ny famonoam-baolina. Nanavatsava an’i Madagasikara manontolo ary nipaka tany Afrika rehetra, tamin’ny taona 70 ka hatramin’ny taona 90, ilay tongotra tsy mikaviavia fa nanakobana tsatoby.
Lavo ny andrarezina, nitolefika ilay tongotra havia. Nangina tanteraka ny kianja, nilaozan’i Dezy Ramasy. Tsy heno intsony ilay fitsoriadriakany sy ilay dakabe mandrivorivo amin’ny tongotra havia. Tsy maty ny baolina fa i Dezy Ramasy no maty. Niavaka tamin’ireo kintan’ny baolina kitra rehetra izy. Mpilalao tsy mba niova “couleur” fa nisalotra ny loko manga sy mena, hatramin’ny fara fofonainy dia ny Fortior de la Côte Ouest (FCO). Tsy menatra ny nitondra ny maha ekipan-drazana azy.
Tsy niala tao amin’ny faritra nisy azy, mandra-pialany teto an-tany. Nitolefika tokoa ilay tongotra havia. Tsy mbola misy ny nahavita ny vitany. Tsy mbola misy ny nahasolo azy ary tsy nisy ny nandimby azy. Be ny manana tongotra havia fa miavaka ny an’i Dezy Ramasy. Mitomany ilay tongotra havia i Boeny. Malahelo ilay daka havia i Madagasikara. Nilaozan’ilay tongotra havia ny FCO. Nentin’ilay tongotra havia ny famonoam-baolina. Lasa ilay tongotra havia. Veloma Dezy Ramasy.
Tompondaka




