Nampahafantarina omaly, teny amin’ny minisiteran’ny Foloalindahy Ampahibe, ny sary famantarana sy ny teny filamatra amin’izao faha-79 taona ny fahatsiarovana ny tolom-panafahana nataon’ireo maherifo niady ho an’ny Tanindrazana izao. Misy ireo komity mpanomana ny hetsika ary efa eo am-piketrehana izany izy ireo. Miompana amin’ny hoe “Tolom-panafahana: Fanavaozana ny fitiavan-tanindrazana” no tara-kevitra nosafidin’ireo komity tamin’ity taom-pahatsiarovana ity. Anton’izany ny fanavaozana ny hasin’ny Malagasy, ny kolontsainy ary ny fomba amam-panaony izay voahosihosy tamin’ny andron’ny fanjanahantany. Notsongaina ihany koa io tara-kevitra io mba hifanaraka amin’ny vanim-potoana ankehitriny, araka ny fanazavan’ireo komity hatrany. Nanamafy ny komity fa manomboka ny zoma 20 marsa 2026 ho avy izao amin’ny 10 ora maraina ny fanokafana eny amin’ny zaridaina Anosy. Hatomboka amin’ny alalan’ny fizaham-pahasalamana ho an’ireo zokiolona, akanga sisa nanamborana, izany. Harahin’ny hetsika fampirantiana mitety sekoly. Entina hanehoana ny fitiavan-tanindrazana sy ho fampahafantarana amin’ireo mpianatra ny tantaram-pirenena izany, raha ny fanazavana voaray. Hisy ny fotoam-pivavahana hanokafana ny hetsika amin’ireo distrika manerana ny Nosy. Eo koa ny fametrahana fehezam-boninkazo, ny 29 marsa 2026, eny amin’ny fasan’ireo Maherifo lavo ho an’ny Tanindrazana.
Jean Claude




