Nisokatra ofisialy, ny sabotsy teo, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny andiany faha-12 amin’ny « XXL Smatchin Ao Tsara ». Fifaninanana basikety ho an’ny sekoly ambony.
Feno hipoka ny teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina nandritra ny lanonana fanokafana ity fifaninanana ankafizin’ny maro ity. Tsy misaraka amin’ny fampisehoana sy fanentanana rahateo moa ny hetsika ka lany mialoha mihitsy ny tapakila fidirana. Anisan’ny mpanakanto nanafana ny sehatra ny tarika Rossy. Tsiahivina fa ekipa 43 avy amin’ny sekoly ambony miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana manerana ny Nosy no mifaninana amin’ity andiany faha-12 amin’ny fifaninanana Smatchin, taranja basikety, ity. Raha ny fandaharam-potoana, haharitra hatramin’ny 22 marsa ny fifaninanana ka fifanintsanana isam-bondrona no mandeha hatramin’ny 18 marsa. Niakatra kianja, ny sabotsy teo, ny tompon’ny anaram-boninahitra farany, sokajy lehilahy, ESSCA, nifanandrina tamin’ny ekipan’ny ESPA. Nifandanja ny lalao tany am-boalohany
Nampitombo moramora ny elanelan’isa anefa ny ESSCA ka nitarika tamin’ny isa 20 noho 11 tamin’ny fiafaran’ny ampahefam-potoana voalohany, sy 31 noho 15 teo amin’ny fisasahan’ny fe-potoana ara-dalàna. Vao mainka niha nahazo hery ny ESSCA ka 48 noho 25 ny isa teny amin’ny amin’ny solaitra be tamin’ny fiafaran’ny ampahefam-potoana fahatelo. Tsy navotsotry ny ESSCA intsony anefa ny fandresena ka nofaranan’izy ireo tamin’ny isa 61 noho 35 iny lalao voalohany natrehin’izy ireo ny sabotsy teo iny. Mbola mitohy ny fifaninanana ary kianja maromaro no ampiasaina isan’andro, manomboka amin’ny 8 ora maraina.
Mi.Raz




