Mandray anjara feno amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ny vondron’orinasa Filatex. Anisan’izany ny fambolen-kazo toy ny nataony any Boanamary, Mahajanga. Tanjona ny hanarenana ny rohivoahary sady hanohanana ny velontenan’ny mponina eny ifotony. Mivelona amin’ny ala honko rahateo izy ireo, izay toeram-ponenan’ny hazandrano, fototry ny jono. Araka izany, nahatratra 40 000 ny zana-kazo honko nambolena tamin’ny velaran-tany 4 ha. Miisa 40 ny mpikambana anaty Vondrona olona ifotony (VOI), nanatanteraka izany. Manampy betsaka amin’ny velontenan’izy ireo ity fambolen-kazo ity.
Ankoatra ny fambolen-kazo, nasiana lakandrano mirefy 500 metatra koa hiantohana ny fikorianan’ny rano, mba hampitombo tsara ny zana-kazo. Tombontsoa azo amin’ny ala honko ny fitahirizany entona karbona CO2, mahatratra 500 taonina isan-taona, ato anatin’ny 5 taona, entina hiadiana amin’ny fiovan’ny toetr’andro. Izany hoe, ahazoana CO2 4 000 t ato anatin’ny 20 taona, manampy ny singa « biomasse », milanja 1 500 taonina, any ambanin’ny tany,
Taratry ny finiavan’ny vondrona Filatex manohana ny tontolo iainana, ny toekarena ary ny sosialy ireo.
Njaka A.




