“Miantso ny filohan’ny Repoblika ankehitriny, Rajoelina Andry, ny antoko Maitso mba hirotsaka indray ho kandidà amin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika hotanterahina tsy ho ela”, hoy ny fanambaran’ ny antoko Maitso hasin’i Madagasikara teny Antaninarenina, omaly.
Manasa ireo mpanao politika hiomana amin’ny fiatrehana ireo fifidianana hifanesy ny antoko: manamafy ny fototra, manabe sy manentana ny vahoaka, manely ny fotokevitra, manomana kandidà, manara-maso ny fikarakarana ilaina amin’ny fifidianana…
Angatahiny koa ny mpanao politika hamela malalaka ireo rafitra mpanomana fifidianana hanao ny asany. Malalaka ny fanehoan-kevitra ary misy ny demokrasia. Tsy azo ekena kosa ny fanakorontanana ny fanjakana voafidy ara-pomba demokratika na hanelingelenana ny fanomanana sy ny fanatanterahana ny fifidianana ho avy. “Tsy mendrika izany intsony ny firenentsika sy ny vahoaka ary tany tan-dalàna ny eto”, hoy ny fanambarana.
Efa mitsangana avokoa ireo rafi-panjakana rehetra araka ny lalàmpanorenana voakasika mivantana na ankolaka amin’ ny fikarakarana ny fifidianana.
R. Nd.