Tontosaina anio, eny amin’ny Madagascar Underground Antsahavola, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro ny hetsika Slumourap. Hetsika iray ahitana karazana zavakanto sy kolontsaina an-tanàn-dehibe telo. Ho hita taratra ao anatin’ity hetsika ity ny Slam Poésie sy Hatsikana ary mozika Rap. Fikambanana sy mpikarakara hetsika avy amin’ireo taranja ireo no mifarimbona manatanteraka ity hetsika iray ity. Hetsika efa fanao matetika izy ity. Tanjona ny fanomezana sehatra ny vao misandratra amin’ireo taranja telo ireo. Eo ihany koa ny fizarana sy fanamafisam-pahaizana ho an’ny efa za-draharaha.
Tafaverina indray ny hetsika Slumourap taorian’ny tsy nisiany tao anatin’ny fotoana vitsy noho ny olana isaky ny karazany avy. Hahazo tombony manokana ny mpankafy hatsikana, indrindra ny Stand Up sy ny mozika Rap. Hisy ny sehatra misokatra ho an’izy ireo mandritra ity hetsika ity. Hisy ny fifaninanana mandritra ny hetsika. Sahala amin’ny fitsipiky ny Slam ihany ny fitsipiky ny fifaninanana, saingy mampihomehy, izany hoe, fampidirana ny hatsikana, indrindra ny Stand Up. Voafetra ho 10 ny mpandray anjara. Miisa 5 no hiatrika ny dingan’ny famaranana.
Lin (Mpianatra asa)