Aretin’ny saina sy fientanam-po: Mila fitsaboana sy fanohanana ny marary “bipolaire”

Nikarakara atrikasa momba ny “bipolarité” sy tohana azo atao amin’izany ny fikambanana Psy-kôzy Madagascar, afakomaly, teny Analakely. Nandray anjara ny mpitsabo saina sy ny olona efa miaina ny aretina.

Ny 31 marsa ho avy izao no Andro maneran-tany natokana ho an’ny aretina “bipolaire”. Izay indrindra no antony nanosika ny fikambanana Psy-kôzy nanao atrikasa fivoriana, afakomaly teny Analakely. Tanjon’ny fikambanana ny hanentana sy hampihenana ny fanilikiliana ny olona miaina ilay aretina.

Aretina mahazo ny saina sy ny fietanam-po (humeur) ny “trouble bipolaire”. Mahatonga ny olona iray hiova toetra be loatra. Indraindray tena faly sy be hery (tsy matory, miresaka be, manao zavatra betsaka). Izay no atao hoe “phase ma­niaque”, hoy ny Dr Raso­lo­fotsialonina Nambinina, mpitsabo saina. Indraindray tena kivy sy malahelo (reraka, very fanantenana, tsy te hanao na inona na inona) na mandalo fahaketrahana (phase depressive). Aretina izy io, ka tsy hoe fanahiniana na fanamboarana saina dia milamina. Misy fotoana ny marary mahalala fa miova ny fihetsiny saingy tsy afaka mifehy tena tanteraka. Noho izany, mila fitsaboana sy fanohanana izy ho afaka hiaina ara-dalàna.
Misy eto Madagasikara

Efa misy ny olona marary eto amintsika. Misy ny toerana voatokana, ahafahana mamatatra ny toe-pahasalamana, na hitsabo toy ny: sampandraharaha misahana ny fahasalaman’ny saina (service psy­chiatrie) ao amin’ny hopitaly Cenhosoa , CHUSSPA Analakely, CHU HJRB Befela­tanana, CHU Anjanamasina ary ny Centre Saint Benoît Menni Imerintsiatosika.
Ny taona 2023-2024, teo amin’ny hopitalim-panjakana CHU Anjanamasina, CHU HJRB Befelatanana, Cenho­soa, CHU SSPA Analakely : 3,83% tamin’ireo olona tratran’ny aretina mahakasika ny saina no nahazo fizahana “trouble bipolaire”.
Nahaliana ny famelabelarana, afakomaly. 40 ny olona tonga nanatrika izany teny Analakely. Nisy ny tanora, olon-dehibe, zokiolona. Nita­rika ny fifampizarana ny filohan’ny fikambanana Psy-kôzy, sady masoivohon’ny Positive Minders International eto Madagasikara sy ny mpianatra Psikolojia momba ny fiarahamonina na ny “Psycho­logie Sociale”, Cathia Ma­mi­son,

Vonjy

Partager sur: