Famaranana ny RAMADANY : Natokana hanatonana an’Andriamanitra

Nomarihan’ny mpino silamo tamin’ny fotoam-pivavahana sy fanaovana fety, ny fifaranan’ny fifadian-kanina, ny zoma lasa teo. Vanim-potoana manan-danja izany satria natokana hibebahana sy hanadiovana ny fanahy ary hanatonana an’An­driamanitra. “Hitondra fiovana goavana eo amin’ny fiainan’ny olona tsirairay sy ho an’ny firenena ny vavaka nataon’ny mpino silamo”, hoy Absouary Said Arsène, filohan’ny Fikambanan’ny Silamo eto Madagasikara (FSM).
Anisan’ny nentina am-bavaka ny fangatahana fandriampahalemana ho an’ny firenena Malagasy. Nangataka ny hanamorana ny fiaraha-miasa kasaina atao eo amin’ny fikambanana FSM sy ny fikambanana Saodianina izy ireo. Antony, mikatsaka ny tombotsoan’ny Malagasy rehetra fa tsy ho an’ny silamo irery izany. “Fiaraha-miasa ara-pinoana no misy amin’izany ary misehatra amin’ny fanampiana ara-tsosialy sy ny sehatra maro lafy”, hoy ihany izy. “Miorina amin’ny finoana an’Andriamanitra tokana ny finoan’ny mpino silamo, izay iombonan’ny jiosy sy ny kristianina maro”, hoy kosa ny Dr Gabriel Dgibril Ibrahim, mpanolotsaina ara-pivavahana eo anivon’ny FSM.
Manentana ny rehetra handresy ny tsy fitovian-kevitra sy hifantoka amin’ny fiaraha-miaina am-pilaminana izy. Marihina, manodidina ny 30 000 ny isan’ny silamo eto Madagasikara tao anatin’ny dimy taona farany. Malagasy ny am-pahatelon’izany, araka ny fanazavana voaray.

Mino

Partager sur: